Fiainan-tsokajy (Esprit de patrouille)
- Ny tsirairay manasoa ny sokajy, ary ny sokajy manasoa ny tsirairay.
- Manamboatra , mitana ary mikolokolo ny ain’ny sokajy hihatsara hatrany.
- Mahatonga ny tsirairay ho sambatra ao anatin’ny sokajy, ary ho faly fa tena skoto.
- Ny fanahy Masina dia ao anatin’ny tsirairay ary eo afovoan’ny mpiray sokajy
- Mampitombo herim-po sy fahasahiana ary fireharehana(FIERETE ) ny sokajy
- Manome andraikitra sy fahafahana manapakevitra ny mpiray sokajy rehetra ny sokajy ary seham-pahasambarana ho an’ny rehetra
- Mifameno ny mpiray sokajy ary mikendry tanjona iombonana
|
|
Tohiny...
|
|
Hatao any La Réunion manomboka amin’ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra 2010 io. Ankizy lahy fito(07) 14 hatramin’ny 17 taona no tily asaina hiatrika izany. Mahafehy ny teny FRANTSAY ary tsara raha mahafehy ny teny ANGALISY koa. Ankoatra ny saran-dalana mandroso sy miverina dia ho ampitaina aminareo amin’ny “mail” ny fepetre hafa. Samy miantoka ny tenany ary tsy maintsy misoratra anarana aty amin’ny Foibe Tily alohan’ny faha -10 aprily 2010. Dia manantena ny hisian’ny mpiatrika Jamborée HALP isika. Vonjivonjeo fa vitsy ihany ny toerana
|
|
|