Zava-kendrin'ny Fikambanana

Ny ZAVA-KENDREN’NY Tily Eto Madagasikara dia ny hitaiza sy hanolokolo ary handray anjara amin’ny fampivelarana ny maha-olona feno ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora zazalahy ao aminy ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona, ho andrin’ny Fianakaviana.

 

Ny FOTOTRA IJOROAN’NY Skotisma ampiharin’ny Tily Eto Madagasikara amin’ny fitaizana ataony amin’ny Mpikambana ao aminy dia  : Adidy amin’Andriamanitra, Adidy amin’ny hafa ary Adidy amin’ny tena.

Adidy amin’Andriamanitra

-    Mino ny fisian’Andriamanitra telo izay iray
-    Miaina ny maha-Kristiana isan’ny Fiangonana
-    Mandalina ny Finoany sy ny firaisam-pinoana
-    Mitory ny Filazantsara
-    Mijoro ho vavolombelon’ny Finoana

Adidy amin’ny hafa


-    Mitia sy miasa ho an’ny Tanindrazany
-    Mampanjaka ny fahamarinana, ny fandriampahalemana ary ny fifankatiavana ao amin’ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny iraisam-pirenena.
-    Mitandro ny maha-olona sy mikajy ny tontolo iainana.
-    Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-belona.

Adidy amin’ny tena

-    Mandray andraikitra amin’ny fampivoarana ny tena sy amin’ny fiatrehana ny fiainana ankehitriny ary ny ho avy.
-    Manao izay ahatonga ho olon-dehibe mahavelon-tena ary azo anankinana andraikitra.

NY FOTO-KEVITRA ANKAPOBENY SY NY FOMBA FIJERIN’NY FOIBE TILY ETO MADAGASIKARA TAOM-PIASANA 2006 – 2010

Ny fihetsiketseham-panabeazana rehetra ato amin’ny TEM dia tokony hamaly na hamoaka ireto hatrany:

-    SKOTISMA TILY mandala mandrakariva ny foto-pisainana Skoto araka ny nanorenan’i Baden Powel azy ary mandala ny soa toavina sy ny fahendrena maha-Malagasy - “SCOUTISME FIDELE”
-    SKOTISMA TILY ilain’ny tanora amin’ny fampivoarana ny maha izy azy ary mahasoa sy mitondra fahatsaran’ny fiaraha-monina sy ny manodidina azy . - “SCOUTISME UTILE”
-    SKOTISMA TILY afaka mifampisahaza amin’ny vanin’andro diavina sy ny fivoarana misy. - “SCOUTISME MODERNE”

Ny tanjona lavitr’ezaka miainga amin’ireo dia ny hahatonga ny skotisma-Tily ho fitaovana iray mahomby eo amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina amin’izao vaninandro diavina izao ary koa hahatonga ny skotisma Tily ho tohana sy andry iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny tanora miaina azy hiatrehany ny fiainan-koaviny.

Ireo kendrena hahatratrarana izany dia ny :
-    Fampitombona ny ambaindain’ny fikambanana : fitomboan’isan’ny Mpikambana, firotsahana amin’ny sehatra hafa ankoatra ny mahazatra.
-    Fandraisana anjara mivantana amin’ny fampandrosoana
-    Fisian’ny loharanom-bola ho enti-manohana ny asa atao
-    Fandraharahana hentitra sy mahomby eo amin’ny fitantanana ny fikambanana
-    Fitantanana sy fanofanana mifandraika amin’ny filàna, ho an’ny tompon’andraikitrarehetra eto amin’ny Fikambanana
-    Fitaizam-panahy mirindra miainga aty amin’ny tompon’andraikitra hatrany amin’ny beazina, Fitoriana ny Filazantsara amin’ny fomba skoto.
-    Fananana tompon’andrikitra sy ankizy beazina môdely eo amin’ny maha-skoto azy
 

 

 
< Teo aloha   Suivant >

Flash info

Alahady 29 aogositra 2010
fotoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra noho ny fitantanany nadritra ny taom-piasana 2006 - 2010 manomboka amin'ny 02 ora sy 30 min ao amin'ny FJKM Antanetibe Ivato.
 
Lomaympika 2010
Antsoina ny filoha tily maitso rehetra sy ny KTF rehetra ary ny mpiandraikitra manao "arbitre" rehetra hanatrika ny fFivoriana hatao ny 22 Aogositra 2010, ao antranon'i Filoha Mamba amin'ny 02 sy 30mn (Ankadifotsy eo @ Lasantsy shell no fotoana).
 
FIVORIAMBE MTEM
09-12 Septambra 2010 ao amin'ny Kolejy Rasalama - Tana.
 

Hira skoto

Hihaino Ireto avy ny hira misy

1. TEM - Ho tiavinay
2. TEM - Efa reko
3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo
4. TEM - Eto anatrehanao
5. TEM - Mody (Railovy 86)
6. TEM - Kalokalo (Railovy 65)

(Mila manana flash ise vao afaka mihaino)