Ny seham-panabeazana eto anivon'ny Tily Eto Madagasikara.
- Ny TILY ETO MADAGASIKARA (TEM) dia fikambanana skotisma eo anivon’ny fikambanana MPANAZAVA SY TILY ETO MADAGASIKARA (MTEM). - Mpikambana ao amin’ny Firaisan’ny Skotisma Malagasy (FSM) ny TEM,
- Mpikambana ao amin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) ihany koa amin’ny alalan’ny Skotisma Zazalahy (SZL).
- Ny TEM dia sady tsy miankina amin’ny Antoko Politika no tsy manohana antoko Politika ary Fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Miorina eo anivon’ireto Synodam-piangonana ireto ny TEM :
- Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) amin’ny alalan’ny KOmity FOiben’ny SKOtisma eo amin’ny Anglikana (KOFOSKOA) ; - Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) amin’ny alalan’ny Fikambanana Skotisma eo amin’ny FLM (FSFLM) ; - Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara amin’ny alalan’ny SAmpana MPAnazava sy TIly (SAMPATI) ; - Misiona Evanjelika Teratany Eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Sampana Fanabeazana TIly sy MPAnazava (SFTIMPA) ; - sy ny synodam-piangonana hafa na sekolim-piangonana manaiky ny fiorenany ary neken’ny Fivoriamben’ny MTEM.
|