Ny Lalàna Tily
Ny lalàna tily
Roa ny lalàn’ny Lovitao (Sampana Mavo)

1.    Manoa ny Lehibe ny Lovitao
2.    Tsy manaonao foana ny Lovitao

Folo kosa ireo lalàn’ny Tily izay iainan’ny Sampana Maitso, ny Sampana Mena ary ny Sampana Menafify.

1- Toka-teny ny Tily
2- Mahatoky ny Tily
3- Vonona hanasoa namana ny Tily
4- Havan’ny olona rehetra ary mpirahalahy daholo ny Tily
5- Manaja olona ny Tily
6- Antra biby sy tia zava-maniry ny Tily
7- Mpankato ny Tily
8- Mihira sy mitsiky ny Tily raha sendra ny sarotra
9- Sahy, mahery fo, maharitra amin’ny asany ny Tily
10- Madio tena, eritreritra, fiteny, fihetsika ny Tily.
 
< Teo aloha   Suivant >

Flash info

Alahady 29 aogositra 2010
fotoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra noho ny fitantanany nadritra ny taom-piasana 2006 - 2010 manomboka amin'ny 02 ora sy 30 min ao amin'ny FJKM Antanetibe Ivato.
 
Lomaympika 2010
Antsoina ny filoha tily maitso rehetra sy ny KTF rehetra ary ny mpiandraikitra manao "arbitre" rehetra hanatrika ny fFivoriana hatao ny 22 Aogositra 2010, ao antranon'i Filoha Mamba amin'ny 02 sy 30mn (Ankadifotsy eo @ Lasantsy shell no fotoana).
 
FIVORIAMBE MTEM
09-12 Septambra 2010 ao amin'ny Kolejy Rasalama - Tana.
 

Hira skoto

Hihaino Ireto avy ny hira misy

1. TEM - Ho tiavinay
2. TEM - Efa reko
3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo
4. TEM - Eto anatrehanao
5. TEM - Mody (Railovy 86)
6. TEM - Kalokalo (Railovy 65)

(Mila manana flash ise vao afaka mihaino)