Ny fanekena Tily
FANEKENA

FANEKENA LOVITAO

Ho an’ny Lovitao (Sampana Mavo) dia toy izao ny fanekeny :

Manaiky aho hiezaka hatrany :
-    Ho tia an’Andiamanitra
-    Hiasa ho an’ny Tanindrazana
-    Hanoa ny Lalànan’ny Lovitao
-    Hazoto hanampy olona isan’andro

FANEKENA TILY

Toy izao ny fanekena ataon’ny mpikambana ao amin’ny Tily Eto Madagasikara.

Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy tompon’ny Fiangonana no anekeko amin’izao ilatsahako ho Tily eto Madagasikara izao, fa :
-    hanompo an’Andriamanitra,
-    hiasa ho an’ny Tanindrazana sy ny namana,
-    hanoa ny Lalàn’ny Tily.

FANEKENA MPIANDRAIKITRA

Ny Mpiandraikitra izay efa nahavita ka nekena ny dingam-panofanany FANANTERANA dia miroso amin’ny Fanekena Mpiandraikitra.
Ny Fanekena ho Mpiandraikitra dia atao ao am-piangonana, manaraka ny litorjia napetrak’ireo Synodam-piangonana sy ny Foibe ary ny Komity Lehibe MTEM.

Toy izao ny Fanekena ataon’ny Mpiandraikitra TILY :

“Amin’izao fiantsoana ahy ho Mpiandrikitra izao dia milaza marina aho fa azoko tsara sady ekeko ny zava-kendren’ny Tily Eto Madagasikara. Hiezaka tokoa aho hanatanteraka ny adidiko amin’ny finoana sy ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy ahy. Andriamanitra anie hanampy ahy amin’izany.”



 
< Teo aloha   Suivant >

Flash info

Alahady 29 aogositra 2010
fotoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra noho ny fitantanany nadritra ny taom-piasana 2006 - 2010 manomboka amin'ny 02 ora sy 30 min ao amin'ny FJKM Antanetibe Ivato.
 
Lomaympika 2010
Antsoina ny filoha tily maitso rehetra sy ny KTF rehetra ary ny mpiandraikitra manao "arbitre" rehetra hanatrika ny fFivoriana hatao ny 22 Aogositra 2010, ao antranon'i Filoha Mamba amin'ny 02 sy 30mn (Ankadifotsy eo @ Lasantsy shell no fotoana).
 
FIVORIAMBE MTEM
09-12 Septambra 2010 ao amin'ny Kolejy Rasalama - Tana.
 

Hira skoto

Hihaino Ireto avy ny hira misy

1. TEM - Ho tiavinay
2. TEM - Efa reko
3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo
4. TEM - Eto anatrehanao
5. TEM - Mody (Railovy 86)
6. TEM - Kalokalo (Railovy 65)

(Mila manana flash ise vao afaka mihaino)