|
Diarin'ny Tily Eto Madagasikara |
Azo fintinina ho toa izao ny vanim-potoana nisongadina teto an'ivon'ny fikambanana Tily Eto Madagasikara.
1907 : Niorenan’ny Skotisma Voalohany tany Angletera (Lasy tany Brownsea)
1910 : Niorenan’ny Eclaireurs Unionistes de France (EUF)
1924 : Nananganan’ny EUF ny antoko Skoto voalohany tany amin’ireo zanatany Frantsay taty Afrika sy tany Oseania ary anisan’izany ny teto Madagasikara izay natsangan’i Chef Jean Beigbeider.
Tafatsangana ary ny ECLAIREUR na TILY tamin’ny 1924
“Toy izao ny fitantaran’ny Gazety Sakaizan’ny Tanora azy, tamin’ny Novambara 1926 : Ny zavatra tena mahafinaritra dia ity : Mianatra ny hahaleotena ny zatovo tazaina ao. Hainy ny mahandro ny hanina ho azy, hainy ny mitadidy làlana raha sendra very izy, hainy ny manafaka ny tenany raha sendra ny sarotra, ary hainy ny manapa-kevitra haingana raha misy mahazo azy.” (Nalaina tao amin’ny “Ny Skotisma sy ny Tily Eto Madagasikara Faha 70 Taona”)
1936 : Namoronan’i Ramatoa Beigbeider ny Andiany voalohany, ary i Chef Burton ny Mpiandalana voalohany teto Madagasikara. Satria mbola zanatany Frantsay ny firenena malagasy dia Commissaire Délégué avy any Frantsa no notendren’ny Fédération des éclaireurs et des Ecalireuses Unionistes de Feance hitantana ny Foibe teto madagasikara : Chef Lods 1941 / Chef Marc André le Doux / Chef Alain Martin 1954
1947- 1958 : Namoahan’ny Foibe Eclaireurs Uniionistes de Madagascar (EUM) ny bokin-kira Railovy, Gazety Vonona, Bokin-dalao sy bokin-kira samihafa mirakitra ny fiainana ankalamanjana .
Ireo Ekipa Foibe Tily voalohany tamin’izany : - Chef Randria na Samuel Randria - Chef Popaul na Paul Rakotovololona - Chef Lequerre na Jean Lequerre Rajoelisolo - Chef Charles na Charles Ravoajanahary
1949 : Lasy fanomanana Mpiandraikitra voalohany natao tao Ambatomanga
1951 : Lasy Fanaterana voalohany natao tao Dinta Ambohidratrimo
1957 : Lasy Ravinala voalohany natao tao Dinta Ambohidratrimo
1958 : Nahazoan’ny Fikambanana ny fahaleovan-tenany, nitsanganan’ny Foibe voalohany notarihin’i Sefo Randria.
1964 : Lasy Jobily faha 40 taona natao tany Ivato – Antananarivo
1974 : Lasy Jobily faha 50 taona natao tao Samboranto Alasora
1984 : Lasy jobily faha 60 taona natao tao Betsizaraina - Antananarivo
1994 : Lasy Jobiy faha 70 taona tao Antsahamarofoza - Antananarivo
1996 : Lasy Jobily faha 60 taona Lovitao tao Ivato - Antananarivo
1998 : Nirosoana tamin’ny fampitambarana ny Fikambanana Mpanazava eto Madagasikara sy ny Tily eto Madagasikara ho Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
2004 : Lasy Jobily faha 80 taona natao tao Ambatofolaka Soamahamanina - Antananarivo
2006 : Lasin-jobily Lovitao faha 70 taona natao tao Beronono – Antananarivo
2006 : Lasin-jobily Mpiandalana faha 70 taona tao Beronono -Antananarivo
2007 : Nankalaza ny faha 100 taona skotisma eran-tany ny Tily eto Madagasikara
2008 : Pow wow (Fihaonam-be’ny Mpiandraikitra TEM) natao tao Mahajanga
|