Ny voambolana fampiasan’ny Tily
Ny voambolana fampiasan’ny Tily
Faritany         : Fitambaran’ny Faritra
Faritra             : Faritra itambaran’ny Fivondronana Tily
Fivondronana         : Antoko Tily sy Mpanazava ao amin’ny Fiangonana/Sekoly iray
Enina             : Vondrona iainan’ny Tily Sampana Mavo 4 ka hatramin’ny 6 mirahalahy
Zokin’enina         : mpitarika ny Enina
Andiany         : fitambaran’ny Enina
Sokajy             : Vondrona iainan’ny tily sampana maitso miisa 4 ka hatramin’ny 8 mirahalahy ka manana ny lohan-tsokajy ho mitarika azy
Antoko         : Fitambaran’ny Sokajy

Fokonolona
        : Vondrona iainan’ny tily sampana mena 3 ka hatramin’ny 6 mirahalahy
Fileovana         : Fitambaran’ny Fokonolona
Loholona         : mpitarika ny Fokonolona
Mpiandraikitra         : Mpitarika antoko na Sampana
Filoha             : Lehiben’ny FARITANY no miakatra
Zokiolona         : Mpiandraikitra sampana Mena
Sampana Mavo     : zazalahy beazina ao amin’ny TEM 6 ka hatramin’ny 11 taona
Sampana Maitso     : zazalahy beazina ao amin’ny TEM  12 ka hatramin’ny 16 taona
Sampana Mena     : zazalahy beazina ao amin’ny TEM  16 ka hatramin’ny 20 taona
Sampana Menafify     : zazalahy beazina ao amin’ny TEM  21 ka hatramin’ny 25 taona
Lovitao             : sampana mavo
Lasy             : lasy tsotra
                     Lasy fiofanana ho an’ny Mpiandraikitra
                     Lasy tselatra (roa na telo andro)
                     Lasin’asa : natokana hanaovana asa soa
                     Lasin-jobily : noho ny fitsengerenan-taona
Pow wow          : fihaonam-ben’ny Mpiandraikitra
Jamboree        : Lasy iraism-pirenena
Tapa-porohana        : tapa-kazo kely mari-pahavitana ny fanofanana manana lenta iraisam-pirenena
Tapa-porohana roa     : tapa-kazo kely ho an’ny Mpiandraikitra nekena ny Asa soratra Ravinala
Tapa-porohana telo     : tapa-kazo kely ho an’ny Mpampiofana Mpanampy nekena ny Asa Soratra mifanaraka amin’izany
Tapa-porohana efatra     : tapa-kazo kely ho an’ny Mpampiofana Mpampiofana nekena ny Asa Soratra mifanaraka amin’izany
Fanamiana         : Akanjo miaraka amin’ny marika samihafa maha Tily
Fafy             : karatra maha Mpikambana ao amin’ny TILY
Talenta            : Mari-pahaizana noho ny fahaizana teknika manokana : ohatra mpilasy, mpahandro, mpihira, …
Totem            : anarana maha skoto ampiasain’ny Sampana Maitso
Ravinala         : Marika manokana iavahan’ny TILY
LFTT            : Lalao Fifaninana Teknika Tily ataon’ny Sampana Maitso
Haza Lehibe          : Lalao fifaninana sy fihazana ataon’ny Enina
Rodorodo         : Lalao fifaninana sy dia an-tongotra ataon’ny Sampana Mena
Vikina            : Haza lehibe eo amin’ny sehatra nasionaly
Lomay             : LFTT eo amin’ny sehatra nasionaly
Diniery             : Rodorodo eo amin’ny sehatra nasionaly
Fotasa            : Foaran’ny Tetik’ASa ataon’ny sampan Menafify
Tendro             : Fitambaran’ny Vikina – Lomay – Diniery – Fotasa
FIFITI            : Fihaonan’ny FIloha TIly


 
< Teo aloha   Suivant >

Flash info

Alahady 29 aogositra 2010
fotoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra noho ny fitantanany nadritra ny taom-piasana 2006 - 2010 manomboka amin'ny 02 ora sy 30 min ao amin'ny FJKM Antanetibe Ivato.
 
Lomaympika 2010
Antsoina ny filoha tily maitso rehetra sy ny KTF rehetra ary ny mpiandraikitra manao "arbitre" rehetra hanatrika ny fFivoriana hatao ny 22 Aogositra 2010, ao antranon'i Filoha Mamba amin'ny 02 sy 30mn (Ankadifotsy eo @ Lasantsy shell no fotoana).
 
FIVORIAMBE MTEM
09-12 Septambra 2010 ao amin'ny Kolejy Rasalama - Tana.
 

Hira skoto

Hihaino Ireto avy ny hira misy

1. TEM - Ho tiavinay
2. TEM - Efa reko
3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo
4. TEM - Eto anatrehanao
5. TEM - Mody (Railovy 86)
6. TEM - Kalokalo (Railovy 65)

(Mila manana flash ise vao afaka mihaino)