

| Vaovao |
| Ny Fikambanana T.E.M |
| Rafitra eto amin'ny foibe |
| Tahirin-tsary |
| Serasera |
| Aim-panahy |
| Fanabeazana Tily |
| Fehin-kevitra FIFITI 2009 |
Fehin-kevitra nataon'ny filoha Foibe, Ny Hasina RAKOTONDRAJAO taorian'ny Fihaonan'ny Filoha Tily (FI.FI.TI) tany Mahazengy – Fianarantsoa - Faritra Matsiatra Ambony, Faritany Tily SOAFIAVI ny 07 – 09 septambra 2009 lasa teo.Rahalahy, Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tontosa soa amantsara iny ny FIFITI 2009 izay nataontsika tany Mahazengy Fianarantsoa tamin’ny 07-08-09 septambra 2009 lasa teo. Isaorana Andriamanitra nanome antsika ny fahahafahana niatrika izany ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-bola ary indrindra koa ara-potoana. Sahy milaza aho fa velona ary manana ny hoaviny ny fikambanantsika izay antsika rehetra rahateo, satria mbola misy anareo 203 mianadahy nandà-tena hikatsaka izay hampandrosoana sy hanatsarana ny fanabeazana skoto Tily Eto Madagasikara, amin’ireo Filoha Tily miisa 600 eo ho eo be izao manerana an’i Madagasikara. Azo lazaina tsy ampihambahambana koa fa ianareo ireo, izay nanao vaindohan-draharaha ny Fanatrehana ny FIFITI ka nifantoka tamin’izany no tena mendrika izany andraikitra maha-filoha izany, ankoatra ireo vitsivitsy izay tena naniry nefa tsy afa-niala tamin’ny adidy sy ny asa aman-draharaha. Izay tsara ho marihina mba hanatsarana hatrany izany FIFITI izany dia ny fomba fijery eo amin’ny Samia manao tomban’ezaka isika nanatrika ny FIFITI ka hahay hijery ny « NETY TSARA » sy ny « MILA FANATSARANA ». Nahatsapa takalo sy firahalahiana tamin’ny hafa ivelan’ny Faritany misy an’ise tokoa ve ise? Tsapan’ise ve fa tokony ho avo lenta izany Fihaonan’ny Filoha Tily (FIFITI) izany? Nahay niady hevitra sy nandray anjara tamin’ny ady hevitra ve ise tao? Tsapan’ise ho mendrika hanatrika izany FIFITI izany tokoa ve ise sy ny toetra amam-pihetsik’ise? Mahatsapa ho vahaolana ho an’ny Fikambanana ve ise fa tsy olana? Nanaja sy nanome hasina ny Foibe rehetra Mpitarika ny FIFITI ve ise amin’ny maha FOIBE azy? Ary farany dia mahaliana an’ise tokoa ve ny fanatrehana ny FIFITI raha toy ireny farany teo ireny ny endrikendrika niheverantsika azy. Arosoy tsy ampihambahambana hatrany ny hevitra hanatsarantsika izany hahasoa ny fikambanana. Amin’ny FIFITI 2010 eto Antananarivo indray izany ny fotoanantsika raha sitrapon’ny Tompo. Indro ary ny FEHIN-KEVITRY NY FIHAONAN’NY FILOHA TILY 2009 izay notanterahintsika farany teo; |
| < Aloha | Manaraka > |
|---|