Tonga soa ise!

Vaovao
Ny Fikambanana T.E.M
Rafitra eto amin'ny foibe
Tahirin-tsary
Serasera
Aim-panahy
Fanabeazana Tily
mitory fampihavanana
 
Akon'ny fanokafana ny taom-panabeazana 2009-2010

hasinaNisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny taom-panabeazana 2009-2010 eo anivon'ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara.

Niaraka nisaotra sy nidera an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Andrainarivo ny finakaviamben’ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara ny Alahady 18 oktobra 2009 tolakandro lasa teo ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-panabeazana 2009-2010.

I Filoha RAKOTOMAVO Tsiory (Ekipa Foibe Tily Eto Madagasikara) no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina RAMINO Paul no nitondra ny hafatra tamin’ny toriteny ka nanafarana :
-    ny Filoha sy ny Komity tamin’ny alalan’ny Sal 34 : 1 – 7 mba hisaotra sy hankalaza an’Andriamanitra mandrakariva,
-    ny mpiandraikitra tamin’ny alalan’ny Efe 3 : 14 – 21 mba tsy ho kivy fa manantena hatrany ny fitiavan’Andriamanitra mialoha lalana amin’ny Andraikitra,
-    ary ny beazina, tamin’ny allan’ny Marka 11 : 12 – 25 fa mila sy manantena zavatra amin’izy ireo ny ray aman-dreny, ny fikambanana, ny firenena ka mila mampitombo ny talentany hatrany izy ireo.

Araka ny teny nataon’ny Filoha Nasionaly Mpanazava Eto Madagasikara, Vorompotsy Mijoro, dia ny fankalazana ny faha 100 taona ny skotisma zazavavy sy ny fandraisan’i Madagasikara ny « Konferansy rezionaly eo anivon’ny skotisma zazavavy aty Afrika »
no tena isany hanamarika ny taom-panabeazana ny 2009/2010 eo anivon’ny Mpanazava Eto Madagasikara.

Ny Filoha Foibe Tily Eto Madagasikara, NY HASINA RAKOTONDRAJAO, kosa dia nanantitra ho an’ny mpikambana rehetra eo amin’ny Tily ny vina iraisana amin’ny skotisma eran-tany dia ny « Hanamboatra tontolo tena tsara hatrany (Créer un monde meilleur) ».


Fandaharana isongadina manokana amin’ny taom-panabeazana 2009/2010 hoy izy ny hisiana voalohany ny « Fihaonam-rehetraben’ny Beazina skoto (forum des jeunes scouts) » eo anivon’ny Tily Eto Madagasikara.
Isan’ny tanjon’izany fihaonana izany ny hiainoana ny feon’ireo tanora beazina ireo mba ho fitaovana entina hanatsarana ny fandaharam-panabeazana atolotra azy.

Ary ny Filohan’ny Komity Lehibe Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara, Rakoto Marc kosa dia nanamafy fa foto-kevidehibe telo no tena ibanjinana ny taom-panabeazana 2009/2010 dia ny mahakasika ny tontolo iainana, ny fampihavanana, ary ny fampandrosoana ao anatin’ny ady amin’ny fahantrana.
Nanamafy ihany ko aizy fa ny fananana karatra maha-mpikambana no maha-mpikambana ara-dalana ka hamporisihana ny tsirairay hanefa ny adidy.

Fanokafana nasionaly iny vita iny fa eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany dia mbola hisy ny fanokafana araka ny fandaminany avy.

 
< Aloha   Manaraka >

Flash info

Lasy Fanomanana/Fanaterana Antananarivo Atsimo
Any Mahitsy no atao ny lasy Fanomanana sy Fananterana karakarain'ny Faritany Antananarivo Atsimo ny 06-12 Avril 2010 izao.
 
Lasy Ravinala Antsirabe
Manomboka ny 05 Avril 2010 ka hatramin'ny 12 Avril 2010 izao ny lasy Ravinala Any Antsirabe.
 

Hira skoto

Hihaino Ireto avy ny hira misy

1. TEM - Ho tiavinay
2. TEM - Efa reko
3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo
4. TEM - Eto anatrehanao

(Mila manana flash ise vao afaka mihaino)

Sarisary

JSN ImageShow - Joomla 1.5 extension (component, module) by JoomlaShine.com