|
Akon'ny fankalazana ny andro ho an'ny fanasan-tanana |
“ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FANASANA TANANA AMIN’NY SAVONY” : 15 OKTOBRA
Noho ny fanentanana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Firaisan’ny Skotisma Eto Madagasika sy ireo tanora advantista, vokatry ny fiarahamiombon’antoka amin’ny WATERAID dia naresaka kokoa noho ny mahazatra ny tsenan’i Mahamasina tamin’ny Alakamisy 15 oktobra 2009 lasa teo. “Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana amin’ny savony” io andro io ka tamin’izany indrindra no nanentanana ireo mpiantsena sy ny mpandalo rehetra fa ny fanasana tanana amin’ny savony dia isan’ireo fihetsika fototra tokony manavanana tsirairay ho atao isaky ny avy any amin’ny toerana fivoahana, na isaky ny avy manolo zaza, na alohan’ny hisakafo.
Fampahafantarana ny fomba fanasana tanana sy ny antony hanasana tanana amin’ny savony no natao tamin’izany ka nametrahana “tippy-tap” (tavoahangy plasitika misy rano atsongoloka maka sarina paompy) nahafahan’ny rehetra nanasa tanana. Toy izao ny fomba fanasana tanana amin’ny savony :
1.Lemana rano aloha ny tanana, 2.Hosorana savony avyeo, 3.Kosehina mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 segondra, 4.Kosehina tsar any felan-tanana, ny vhon-tanana, ny elekelan-dratsana, ary ny ati-hoho sy ny manodidina azy, 5.Kobanina tsara ny tanana rehetra, 6.Avela ho mainan’ny rivotra.
Ny anton’ny Fanasana Tanana amin’ny Savony dia mba ho :
1.Fisorohana aretina maro (aretim-pivalanana, kankana, aretin-koditra, gripa H1N1, areti-maso, …) 2.Fitandroana ny fahadiovan’ny fitaovana kirakiraina any an-tsekoly na any an-trano, 3.Fanajana ny tena sy ny olona ifandraisana, 4.Fahafinaretan’ny tena, 5.…
Ny Tily avy ao amin’ny Faritany Tily Antananarivo Andrefana sy ny Mpiandalana avy ao amin’ny Fivondronana faha 6 – FJKM Soanierana – Faritany Tily Antananarivo Atsimo no nisolo tena ny Fikambanan TILY ETO MADAGASIKARA nanatanteraka ny fanentanana. |