Ahitana ireto sampana ireto eto anivon'ny Tily Eto Madagasikara:
sampana mavo
sampana maitso
sampana mena
sampana menafify
Ny sampana mavo na Lovitao dia manabe zazalahy 6 ka hatramin'ny 12 taona eo ho eo, mivondrona ny ankizy 4 ka hatramin'ny 8 ary antsoina hoe ENINA izy ireo amin'izany, ny ENINA 2 ka hatramin'ny 4 kosa no antsoina hoe ANDIANY.
Ny sampana maitso kosa na Antoko Tily dia manabe zazalahy 12 ka hatramin'ny 16 taona eo ho eo, mivondrona ny ankizy 4 ka hatramin'ny 8 ary antsoina hoe SOKAJY, misafidy anaram-biby ny SOKAJY iray mba hataony anarana ary ato filamatra kosa ny toetra tsara ananan'io biby io, ny SOKAJY 2 ka hatramin'ny 4 no antsoina hoe ANTOKO.
Ny sampana mena na koa antsoina hoe Mpiandalana dia manabe zazalahy 16 taona ka hatramin'ny 19 taona eo ho eo.
Ny sampana menafify dia manabe zazalahy 19 taona no miakatra.
1. TEM - Ho tiavinay 2. TEM - Efa reko 3. TEM - Zay herin-tsaina sy ny fo 4. TEM - Eto anatrehanao 5. TEM - Mody (Railovy 86) 6. TEM - Kalokalo (Railovy 65)