Teknika skoto
Posted by: admin ()
Date: November 18, 2009 06:07AM

Eto indray no hifampizarana ireo teknika skoto efa nahabotrabotra hatrizay sy ireo vao nivoaka vao mafana. Ny vona, ny fifandraisan-davitra (morse, sémaphore,....), ny tsongo-dia, ny sarin-tany, ny hafatra miafina, ny koja sy ireo maro tsy voatanisa.

An'ise ny sehatra ary e!

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 18, 2009 07:19AM

Hira mihitsy hoe Sampana Maitso no misy an-dry Admin zany! efa nosolon-dry zalahy sms ange ny fifandraisan-davitra amzao e!
Vazivazy zany ah, eo ampiandrasana an'ireo tena crack amin'io resaka teknika io.
Manantena ny ahita teknika vaovao be dia be rehefa miverina eto e

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: November 18, 2009 07:22AM

Kobo be le admin le! hahhahaha! aleo mihitsy hitady zavatra hafa ra Karl alefa eto a.

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: herissona ()
Date: November 18, 2009 09:45AM

ary ra azoko tsara de maitso daholo le bandy eto a

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 18, 2009 10:55AM

Zah kosa aloha mena e! Mena hiringiriny lollll

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: November 19, 2009 06:36AM

Alefaso marina koa ny teknika tena sampana mena e! ny teknika fandehanana an-tongotra sns

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: November 19, 2009 06:38AM

ato misy tonga fararkze zokiny: http://www.scoutorama.org/

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 21, 2009 03:07AM

Ity ary misy fika kely iray e:
"Mahandro vary tsy misy vilany" Cuisine trappeur
- Bérets na casquette no atao solon'ny vilany.

1- Mangady lavaka sahaza ny nahandro (izay omby ilay beret rehefa asiana vary)
2- Mangady lavaka manodidina ilay lavaka voalohany.
3- alona rano ny vary avy eo ariana ilay rano.
4- arotsaka ao anatin'ilay béret na casquette amin'izay ilay vary mbola mando
5- saromana ravina, na fonosana ravin'akondro mihitsy raha misy ilay vary sy béret.
6- atao ao anatin'ilay lavaka voalohany amin'izay avy eo.
7- Asiana afo amin'izay ilay lavaka manodidina sy eo ambonin'ilay nahandro.

Mitovy @ fotoana hahamasahan'ny vary ihany ny fotoana hiketrehana azy.
Tandrovana mba tsy haloto, na hisy vovoka ny nahandro
raha misy dongon-tany na ilay tranom-bitsika ireny dia tena tsara raha ireny no atao fatana!
Rehefa mandeha tsy manana vilany ihany no tokony hampiasa ity fa tsy be haitraitra efa manmbilany ka te hi-test!

Amin'ny manaraka ndray ny hafa

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************



Edited 1 time(s). Last edit at 11/21/2009 03:08AM by grafikarl.

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: November 24, 2009 06:27AM

Dia tsy afaka ampiana rano zany ve sao may ilay vary?

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: hs ()
Date: November 24, 2009 07:14AM

Vary endasina io ka

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: November 25, 2009 04:49AM

Toa tsy asiana menaka akory? (-:

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 25, 2009 06:01AM

Lany foana io na dia manta aza rehefa ho avy izay andro izay

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: December 04, 2009 03:51AM

Tena marina e! saromana hira sy lalao io dia lany foana

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: Sedra ()
Date: January 26, 2010 06:49AM

Salut eh

Mizesta be kou zany le mena sy maintso eh;
aza mijery ny ankelin'ny le louvetaux fa reo no tena henjana raha technique skoto an

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: January 31, 2010 07:24AM

Sali r'ise isany a!
Folara koa azo anaovana an'io teknika io.
Mzotoa jiaby

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: February 03, 2010 09:21AM

Sedra Wrote:
-------------------------------------------------------
> Salut eh
>
> Mizesta be kou zany le mena sy maintso eh;
> aza mijery ny ankelin'ny le louvetaux fa reo no
> tena henjana raha technique skoto an

Mba omeo patiny kely amin'ilay fikan'ny lovitao aza jerena e! sao mba mety ho an'ny mpiandalana ihany, sady hampideraina; amzay hoe "Mba orizinal kou zany!"

Bref, ôtrany mbola tsy niainga minitsy ilay teknika r'se isany ah

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: FINENGO Madera ()
Date: February 11, 2010 07:22AM

Aona r'ise isany.
Tsara be ny mandefa sms phone sy mail raha avakida morsa

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: February 14, 2010 06:51AM

Raha maorsa zao no resahina dia misy ny code tapia (mihinana 1 dia manary 3), sy ny code café (mihinana 1 dia manary 2) ary ny code letchi (mihinana 1 dia manary 1)

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: siony ()
Date: February 22, 2010 10:25AM

Milay kosa ilay karazana code ko!! hahaha, mahafinaritra e (-:

Fa nareo ve nahatsikaritra hoe misy sonnerie Nokia morse? henoy tsara fa misy hoe .../--/... ilay izy.

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: February 28, 2010 04:08AM

Ie misy io ka. Rehefa mahazo sms

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: MAH ()
Date: June 29, 2010 04:53AM

TEKNIKA FANDEHANANA AN-TONGOTRA VE NO TIAN'SE HO AZO E!
"MVAVA TSARA DE HO TODY HATRAMIN'NY FARANY E!"
ZOKIOLONA ZA MTENY AN'SE FA MARINA ZANY

Options: ReplyQuote
Re: Teknika skoto
Posted by: Valisoa ()
Date: July 12, 2010 03:35AM

Za koa manoana ny hevitr'ise!

Mivavaha tsara de ampaherezo ny fokon'olonan'ise, lol

Options: ReplyQuote