Hira skoto
Posted by: admin ()
Date: November 18, 2009 06:10AM

Na hira sareba na hira milamina, alefaso ato daholo indray ny hira skoto e!! raiso ny micro dia aza mihafahafa mihitsy.

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: November 18, 2009 06:39AM

TILY AHO KA MATOKIA (Hirao 75 P: 71)

Efa reko (ela) hatry ny elabe ny antsonao ry taniko
Ary tsapako tokoa izao 'zany hetahetanao
Fa vonona aho ny hanasoa anao
Ry tany tiako, mamiko (matokia)
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako

Ianao ry ('lay) fiangonako, mila olom-baovao
Feno hery sady vonton'ny fanahy
Ka mijoro ho tena sahy
Raha asa fitoriana no atao, dia efa vonona aho izao
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: November 18, 2009 06:40AM

INDRETO VONONA


Indreto vonona izahay antoko tily malagasy
Ny tily malagasy tomady
Hiezaka tokoa ho olom-banona
Ho voninahitry ny tanindrazany Madagasikara

Ry Tompo ô! Ny taninay mba raisonao sy anjakao
Ho olonao anie ny malagasy
Ampandrosoy sy hatsarao ny nosinay
Ry Tompo ô tahio ny tanindrazany Madagasikara !!!!!

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: November 20, 2009 04:05AM

EO ANATREHANAO (Fanekena Tily)


Eo anatrehanao ry ray no ekeko izao
Hanompo anao mandrakizay, tena ho anao

Ho tia ny fireneko no ekeko izao
Ny antsony dia reko miantso izao

Fitiavana ny namana no ekeko izao
Na ory na ny manana mitovy izao

Ireo lalana folo no toviko
Izaho no hijoro tsy laviko

Réf.: Ny tena sy ny saina sy ny fanahy
Hibanjina ‘lay aina fa lehilahy (nomenao ahy)

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 21, 2009 02:55AM

Tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe

asiana, sira!
asiana sira, menaka, voatabia, tongolo
asiana, sira!
asiana sira, menaka, voatabia, tongolo

Tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe

asiana, lata
asiana latabatra hinanako azy
asiana, lata
asiana latabatra hinanako azy

Tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe

asiana, four
asiana fourchette hinanako azy
asian, four
asiana fourchette hinanako azy

Tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana a,
ohe ohe ohe

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: November 24, 2009 06:28AM

Hafahafa faneno izany hira zany a!

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: November 25, 2009 05:56AM

Mbola misy tohiny koa hoa:

tendan-gisa, vodin-gana
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana
ohe ohe ohe
asiana sira
asiana sira, menaka, voatabia, tongolo
asiana sira
asiaba sira, menaka, voatabia, tongolo


tendan-gisa, vodin-gana
ohe ohe ohe
tendan-gisa, vodin-gana
ohe ohe ohe
asiana tabou
asiana tabouret mba hipetrahako
asiana tabou
asiana tabouret mba hipetrahako

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: Lalaina ()
Date: December 02, 2009 01:34AM

VONONA AHO

Misy antso tsy hay tohaina
Manako hatrany ao an-tsaina
Misy feo mihantsy ahy
Hanefy tena ho lehilahy
Ka vonon aho fa tsy handà

1) Hanabe sy hanolokolo andian-tanora marobe
Ho fiasana hitoriana ny teninao ry Andriamanitra
Hampijoro fahamarinana
Amin'izay rehetra aleha

2) Hitarika ireo zandry maro
Ho tia anao ry fireneko
Hitari-dalana amin'ny ady mba hisian'ny fihavaozana
Hanao sorona ny aiko raha ilain'ny fanekeko

3) Na mitaky fikarohana sy fandalinana ny hay
Indro efa vonona aho
Dia zary fifaliana ho ahy ny hahita ireo tinaizako
Hijoro ho tena lehilahy

Maky Mampifaly

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: December 04, 2009 03:50AM

TILY IZAHAY KA MILALAO (Railovy P: 58)

Tily izahay ka milalao (Ka milalao) – Bis
Tily re, tily re, tily re, tily re,
Tily izahay ka milalao.

Fifaliana ao anaty ao (ao anaty ao) – Bis
Fifaliana (in-3) ha, ha, ha, ha!
Lasa hehy dia hitanao.

Tanana no ampiasao (ampiasao) – Bis
(***Mitehaka***)
Paika izany ka ahoana hianao?

Ny sioka indray no andeha hatao (no andeha hatao) – Bis
(***Misioka***)
Sioka Tily tsarovinao!

Dihy izao no anampio (no anampio) – Bis
(***Mandihy arahin-damako***)
Dihy Tily ka itsikio!

Doladola no andeha hatao (no andeha hatao) – Bis
Doladola (in-4 ***sady midoladola)
Doladolan’ny tily izao!

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: akela ()
Date: December 04, 2009 04:31AM

Manao ahoana e!
Tsy mba misy hira loveteaux mihitsy izy izany. Hira fanekena:

Manaiky aho tsy anio ihany
Fa hiezaka hatrany
Ho tia anao Ray Andriamanitro hatrizay (x2)

Manaiky aho tokoa tokoa
Fa hiasa an-kerim-po
Ho an’ny tany mamiko Madagasikara taniko (x2)

Isan’andro aho hazoto
Hanampy olona hilofo
Ko ho toaviko ao am-po
Ireo lalànay ankiroa

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: December 16, 2009 01:44AM

Salut daholo,
sao mba misy mahay ny tonon'ilay hira esquimaux glaces iny nareo? Matetika izy hampianarin'i Fil Naivo foana rehefa tafahoana iny:

Ny fanombohany:
Tao an-tsenan'Androvahangy,
Nisy ajojo irey tena fetsy izy zay,
...
tsy tadidiko ny tohiny eto.

Ny refrain:
Eskimô glasy (2 fois)
tena mora be
Telo ariary roa (2 fois)
tena mora be

Mba hampio raha misy mahay e

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: December 28, 2009 05:41AM

Mpandalo ô ô,
Mpandalo ianao,
Indrisy fa, mpandalo ianao.
Mpandalo ianao.

De ho sanatria ve ho izaho irery sisa, no mandalo irery ety an-tany lavitra ety?

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: Sedra ()
Date: January 26, 2010 06:32AM

AKory daholo eh

Tsy haiko le volohany @ le eskimo fa ny haiko oe

eskimo gylasy(2)
eskimo gylasy mora be
3 ariary 2 (2)
ay izy ty tsy eskimo fa coco

Hihihiih

Akela an , ao fa hasintsika hira bedabe louvetaux ato eh

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: Sedra ()
Date: January 26, 2010 06:41AM

Ty ary le hira Atiala an

Lasan'ny babakoto i Mowgli
Nentiny nadindihy
Natsipitsipiny teny ambony hazo
Ka nisidina avo de avo
Chill(2) antsoy i Ballo
Chill(2) antsoy Bagheera
Chill(2) antsoy Kaa
Izaho sy ise dia iray rà

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: January 31, 2010 07:39AM

Any (takonan'io any)x2
Lay tanànako,
lay tanànako (Beso)
Any (takonan'io any)x2
Ka tsy tazako !

Dia veloma (beso)
Veloma mandrapihaona re
eny re
ref Masina re rahavana
Ny Tompo anie hitantana
Ny làlana ho diavina

Ity folarako ity atolotro hoan'ise
Ho fahatsiarovana
Ho fahatsiarovana (beso)
Ity folarako ity atolotro an'ise
Ho fahatsiarovana

Dia veloma (beso)
Veloma .....

Anjarantsika amin'izay ny mamorona izay tonony itiavantsika azy fa ny refrain ihany no tsy miova.Mazotoa daholo e!

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: grafikarl ()
Date: February 03, 2010 09:15AM

Hira iray!

Ataonao ino ra-lehilahy
ny sôman'ny zanako ra-lehilahy
ny sôman'ny zanako ra-lehilahy
ataonao ino ra-lehilahy

Vaky felana folera
antsika hody fa lera
Antsika hody fa lera
vaky felana folera

Samy mamorona ny fihirana ity hira ity
kendrena foana mba hiady rima
Ny andalana roa voalohany ventesina
Manaraka kosa ny bobaka avy eo, saingy avadika ny filahatry ny andalana
ny tanjona: Miady rima, na mifamadika aza ny filahatry ny andalana dia miteny foana ilay hira.

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: FINENGO Madera ()
Date: February 11, 2010 07:06AM

grafikarl Wrote:
-------------------------------------------------------
> Hira iray!
>
> Ataonao ino ra-lehilahy
> ny sôman'ny zanako ra-lehilahy
> ny sôman'ny zanako ra-lehilahy
> ataonao ino ra-lehilahy
>
> Vaky felana folera
> antsika hody fa lera
> Antsika hody fa lera
> vaky felana folera
>
> Samy mamorona ny fihirana ity hira ity
> kendrena foana mba hiady rima
> Ny andalana roa voalohany ventesina
> Manaraka kosa ny bobaka avy eo, saingy avadika ny
> filahatry ny andalana
> ny tanjona: Miady rima, na mifamadika aza ny
> filahatry ny andalana dia miteny foana ilay hira.

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: herisson ()
Date: February 17, 2010 07:46AM

Aona ny feon'le hira ry lalaina

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: siony ()
Date: February 22, 2010 10:23AM

Ref:
OOoOOOoooO! mijaly manana kilema
OOoOOOoooO! Marary eee...

Raha misy fivoriana ireny
Ny moana tsy afaka miteny
Te hiantsoantso mafy hoe
Mba henoy e

Ao koa ireo olona jamba
Maniry hahita hazavana
Miaina anaty aizim-pito
Mahonena e

Ao koa ireo tsy maheno
Marenina ny anaran’izy ireny
Tabataba ampototsofiny ao
Tsy heno e

Ao koa ireo ketrak’ila
Ny fandehany mitsingilahila
Raha misy miomehy azy ireny
Manodiava e

Options: ReplyQuote
Hira skoto
Posted by: FINENGO Madera ()
Date: March 15, 2010 03:22AM

JOLAKAKA

Ref:Jolakaka jolakaka jolakaka(3fois)

1) Zaho nandeha antanin'olo any eh
Tsy nivola hoe fa tsy ho Tily
2) zaho niala taminay tany eh
tsy niresaka fa hifanary
3) tsika niala tan-trano tany eh
nagnabara fa handeha hilasy
(2fois ny tonony tsiraray)
=======================================================
Raha te hahay feony antsoy i FINENGO Madera 032 64 806 10
BABANTSY Milofo 033 13 153 28

Options: ReplyQuote
Re: Hira skoto
Posted by: MAH ()
Date: June 29, 2010 04:35AM

MAHATSIARO NY CXXéme ZA REHEFA MAHENO IO HIRA IO

Options: ReplyQuote
Maitso
Posted by: Mamy ()
Date: July 06, 2010 01:31AM

ANTSO SAMPANA MAITSO

Ah! a! a!a!à!
ô!ô!ô!ô!ô!
Malakilaky enao ry sampana maitso ô!ô! (2fois)

Tany an'ala aho e! no natsoinao
Efa tonga Tily aho e! dia vonona a!
malakilaky enao ry sampana maitso ô!ô!

Options: ReplyQuote
Re: Maitso
Posted by: siony ()
Date: July 14, 2010 10:05AM

Mba mitady no andininy manraka an'ito vazo ito e!

Andeha hilasy an-tsaha zareo
Hihirahira sy hiray feo
Hiara-dia, hiriaria, hiaraka-mandihy
tanora tily mamboly fitia!!

Options: ReplyQuote
Re: Maitso
Posted by: Mamy ()
Date: July 16, 2010 03:19AM

fa anga moa tsy tonga de le ovaina la!la! foana de improv ny tohiny sa tena misy toniny hafa!

Options: ReplyQuote
Re: Maitso
Posted by: Fil hervé ()
Date: September 04, 2010 06:57AM

Mamy Wrote:
-------------------------------------------------------
> fa anga moa tsy tonga de le ovaina la!la! foana de
> improv ny tohiny sa tena misy toniny hafa!

ity ilay nagatahinareo tery ambony mikasika ilay hoe: teny an-tsenan,andravoahangy, nisy ajojo lahy iray...

@ ny teny vahiny ilay izy:

Sur le quai de la feraille
le vieux bamboko,marchand de côcô
disait d'une voix de basse taille
à tous les passants qui avaient chaud

A la fraiche, à la fraise
A la fraiche , à la fraise
qui veut boire
venez mes enfants.
venez goutez-en
mais payez surtout à ..argent comptant

Options: ReplyQuote