Vaovao maresaka?
Posted by: admin ()
Date: November 18, 2009 06:22AM

Inona ny vaovao ao amin'ny fivondronana, faritra, faritany misy an'ise? Zarazarao eto ifanotronana sy ifankahitana izay hetsika tily misy manodidina an'ise. Ny daty sy ora, ny toerana, ilay karazana hetsika: fanekena, fanolorana tonia, noelim-pivondronana, takariva, afon-dasy...

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: grafikarl ()
Date: November 18, 2009 07:10AM

Salama aby e,
Ny aty aminay zao ny malaza ny fanomanana ny Lasy Ravinala (Faritany Atsimo Andrefana) ny 17 au 23 Décembre 2009.
Tongava maro izay hanafika e!
Maro ampelasoa koa atoy e

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: grafikarl ()
Date: November 21, 2009 03:22AM

Amin'ny 28 sy 29 novambra 2009 ho avy izao dia mikarakara hetsika iray ny faritany misy anay (Atsimo Andrefana): LFTM (lalao fifanankalozana teknika mpiandraikitra)
Tsy mbola hitako ny détail fa hinoana fa hafotaka!

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: siony ()
Date: November 24, 2009 06:26AM

Milay be zany LFTM zany lé! ny Antananarivo Afovoany efa nanao an'izay 3 na 4 taona lasa izay.

Dia tongava daholo any Atsimo izay mbola tsy nahavita ravinala e! ambiansy mafana io (-:

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: grafikarl ()
Date: December 16, 2009 01:40AM

Nahemotra amin'ny volana aprily 2010 r'ise ilay lasy Ravinala aty Toliara,
> Admin: mba soloina ilay news ao @ accueil.

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: siony ()
Date: January 02, 2010 04:21PM

Arahabaina nahatratra ny taona 2010 e!

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: January 31, 2010 07:53AM

Mahatsapa izahay fa betsaka ny namana sahirana noho ny tsy fisian'ny fotoana hanaovana activité.Noho izany dia hihaona ny mpiandraikitra sampana maitso ao an-tanànan'ny Boeny ny 06 fev 2010 ho avy izao mba hifampizara tetika fandrindràna fandaharam-potoana andavanandro (fianarana, asa, activité, sns...)Mpanentana amin'izany adihevitra izany ny filohamparitany sampana maitso aty Boeny.Antenainay fa hitondra fanatsaràna io fifampizaràna traik'efa io amin'ny fanatontosana ny fandaharam-panabeazana efa natsangan'ny fiv tsirairay!

Adala ve ty zaho sa tsy misy atao afa tsy ity tly ity e,...

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: grafikarl ()
Date: February 03, 2010 09:05AM

Salama aby!
Inona avy ny hetsika nasionaly raha misy amin'ity taona ity e?

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: LAMBO Mijoro ()
Date: February 09, 2010 07:58AM

Mihetsika ry zareo ao boeny ao zao.Amin ny 21 fevr izao ny fanokafana ny fankalazana ny jobily faha 65 taona ny faritany tily boeny.Maro ireo hetsika atao mandritra ity taona ity.Efa am-perinasa tanteraka ireo vaomiera isankarazany izay mandrafitra ny komitin-jobily amin zao.
Hisy koa ny lasy fanomanana sy fanaterana ny 06-10/04/2010 izao izay karakarain'ny mpiray dia ao amin'ny faritany sy ny taripanofanana aty antoerana.Toerana: Katsepy(Marolemoka)

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: herisson ()
Date: February 09, 2010 08:07AM

Amin'ny Alahady 14 Febroary tontolo andro izao eny amin'ny Paul Minault eny androhibe ny fotoana ho antsika rehetra e, indrindra fa ny faritany Antananarivo Atsimo amin'ny hetsika FANAKOLOTOTO.
Misy Sport, Grand jeu sy ny sisa eny fa tongava

Options: ReplyQuote
Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: FINENGO Madera ()
Date: February 18, 2010 06:12AM

Akory iaby r'ise!
ny vaovao aty atsimo andrefana manomana ny fankalazana 22 Fev izahay
Prog: 20Fev maraina:carnaval iarahan'ny FSP (Firaisan'ny Skoitisma-Paritany)
21Fev Fankalazana MTEM Faritany
22Fev Samy manamasaka isam-pivondronana
Milay be io! Io hahitan'ise Toliara tsy miroro zao!
Miavia atoy laha te hahita azy

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao afrika
Posted by: siony ()
Date: February 22, 2010 10:20AM

Akory e!
@13/03 izao ny andron'ny skoto afrikanina. Ny lohahevitra dia "Rejoignez les Scouts dans la Création d’ une Afrique meilleure" na raha atao dikan-teny malalaka dia hoe "Andeha hifandray tanana hanganana Afrika tsaratsara kokoa".
Betsaka ny hetsika afaka atao @io, ohatra vitsivitsy;
- fambolen-kazo
- fanomezana sakafo na/sy akanjo hoan'ny kamboty sy mahantra
- fandaharana @haino aman-jery manodidina ny lohahevitra
- tafatafa sy loa-bary an-dasy ny @fivoaran'ny isan'ny mpikambana (http://scout.org/fr/information_events/library/membership_growth)
- diabe, rodorodo
- fanadiovana tanàna
- fandefasana @haino aman-jery ny @fivoaran'ny skotisma aty Afrika sy ny lanjany
- Lalao fanentanana @firotsahana an-tsitrapo
- Fanentanana ireo manam-pahefana sy tompon'andraikitra ny @fiarovana ny tontolo iainana
- Fanaovana sary
- Fanatanjahan-tena
- lasy
- fivoahana an-tsaha
...

Mazotoa be e!

Options: ReplyQuote
Re: Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: grafikarl ()
Date: March 04, 2010 12:03AM

Salut Daholo,
I Finengo ve i Finengo e? Bahimo

Tily izahay ka milalao!
***************************************************
*-|----------------------------------------|
*-| My site: http://hira-skoto.webou.net/
*-| My Group: http://sampati8.webou.net/
*-| My Network: http://scoutface.com/grafikarl
*-|----------------------------------------|
***************************************************

Options: ReplyQuote
Re: Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: herisson ()
Date: March 05, 2010 03:48AM

ie i Finengo le Finengo

Options: ReplyQuote
Re: Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: FINENGO Madera ()
Date: March 15, 2010 03:01AM

Akory iaby eh!
Aona Karl Bahimo!!!!!!!!!!!!!!!!!!
Inona vao2 ao amin'ny 8è Oviana le fanenkena Mpiandraikitra ao aminareo?

Nankalaza ny andro skoto afrikana ny Fiv XI (FLM Sakaraha) tamin'ny alalan'ny fambolena hazo tny amin'ny Parc Nasionaly ZOMBITSE VOHIBASIA sy fanadiovana tokotam-piangonana

Options: ReplyQuote
Re: Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: herisson ()
Date: March 17, 2010 12:32AM

Ho anareo mpisera eto: raha misy vaovao tokony ho publie-na eto amin'ny scout-tily.org dia alefaso mail any amin'ny foibe@scout-tily.org

Options: ReplyQuote
Re: Malaza aty Atsimo Andrefana
Posted by: Lalaina (Ekipa FOIBE TEM) ()
Date: April 02, 2010 06:04AM

Finengo> mba andefaso sary ilay tany Sakaraha anaovantsika article. misaotra . alefaso mail @ foibe@scout-tily.org

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: LANDY Mahiratra ()
Date: April 14, 2010 02:13PM

slt! Daholo e!

Ny an'ny faritany tily Diana izao dia ilay lasy DINGAN-DAVA no nafana e!
Hiatsara hatray hiatsara hatrany ny faritany tily Diana e!

Miomana jiaby ny sampana maitso ami'ny ilany LOMAI-PIKA a! izay mendrika mifankahita any ANTANANARIVO ami'ny volana Août.

Tanana havia.

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: siony ()
Date: May 10, 2010 05:41AM

Inona no fandaharana @herinandron'ny MTEM 2010?

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: siony ()
Date: May 10, 2010 05:42AM

LANDY Mahiratra Wrote:
-------------------------------------------------------
> slt! Daholo e!
>
> Ny an'ny faritany tily Diana izao dia ilay lasy
> DINGAN-DAVA no nafana e!
> Hiatsara hatray hiatsara hatrany ny faritany tily
> Diana e!
>
> Miomana jiaby ny sampana maitso ami'ny ilany
> LOMAI-PIKA a! izay mendrika mifankahita any
> ANTANANARIVO ami'ny volana Août.
>
> Tanana havia.

Misy lomay nationaly @ty zany?

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: LANDY Mahiratra ()
Date: May 15, 2010 07:24AM

Fandaharam-potoana herinandron'ny Mpanazava sy Tily?

FARITANY DIANA:

Alahady 16 May am 3 tolakandro: fanokafana any amin'ny FJKM ESKAMA
Alarobia 19 May am 3 ora tolakandro: fifaninanana aram-panatanjahantena ( tily sampana maitso final lomaim-pika.)
Sabotsy 22 May tontolo andro
- amin'ny valo ora maraina: fifaninana kolon-tsaina ifaninanan'ny isam-pivondronana
- amin'ny 12 ora sy sasany: sakafo agape
- amin'ny 3 ora tokandro: "gala de chant" ataon'ny filoha Mpanazava sy filoha Tily
- amin'ny 5 ora hariva: famarana ny herinandron'ny mpanazava sy Tily.

Izay ny hetsika ny aty amin'ny faritany Diana mba ahoana kosa ny faritany sasany?
ambarao hoe?

Options: ReplyQuote
Re: Vaovao maresaka?
Posted by: siony ()
Date: June 30, 2010 03:55PM

Fanekena mpiandraikitra ao @FJKM Ankadifotsy XVII ôôô!

Ora sy fotoana: 18/07/2010 @10 ora maraina

Toerana: FJKM Ankadifotsy

Ireo mpiandraikitra hanao ny fanekeny:
- RAZANAJATOVO Andriantsoa Oliva (voronkely)
- TOPAZA Mampita (afo)
- ANDRIAMANALINA Evasoa Edena Narindra (lovitao)
- RANATRA Manoa (tily maitso)

Manasa e!

Options: ReplyQuote